Politique

Vontovorona Norarafan’ny Emmo-Reg grenady indray ny mpianatra


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Izay rehetra mihetsika mba mitaky ny zony amin’izao fitondran’ny FAT izao dia tratry ny grenady avokoa.

 Lasibatra tamin’izany ireo mpianatry ny Polytech Vontovorona omaly. Norarafan’ny Emmo-Reg grenady raha nivoaka ny faritry ny oniversite ka niakatra tanàna tao Alakamisy. Araka ny voalazan’ireo mpianatra dia nikasa ny hifampiresaka amin’ny Ben’ny tànana ireo mpianatra no nifanehitra tamin’ny Emmo-Reg. Araka ny fanazavan-dRandrianantenaina Toarson, dia mitaky ny handoavana ara-potoana ny vatsimpianarana, ka amin’ity dia takian’izy ireo ny hampiarana ny volana jolay sy ny aogositra, ankoatra ny famerenena ny 10.000Ar nihoatra tamin’ny saran’ny fidirana izay naloan’izy ireo. Araka ny fantatra ihany dia fampanantenana nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony ireo takian’ny mpianatra ireo. Milaza ny hanohy ity fitokonana ity ireo mpianatra, mandrampahazon’izy ireo valiny mazava momba ny fitakian’izy ireo.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT