Politique

Vonona tanteraka ny TIM Ravalomanana no filoha amin’ny 2018


  • Talata 12 Desambra 2017

Nakotroka ny fihaonamben'ny ben’ny tanàna avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM sy ny rafitra eo anivon'ny antoko omaly teny amin'ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy.

Nambaran'ny loholona sady filoha lefitry ny TIM Antananarivo Ramalason Olga, fa miatrika fiofanana ny ben’ny tanàna TIM manerana ny nosy sy ireo rafitra TIM. Omena fahalalana sy fahaizana amin’ny fifidianana izy ireo. Fantantsika, hoy izy, fa hiatrika fifidianana isika amin’ny taona 2018. Ny TIM, dia manome fiofanana ny olona ao aminy. Ny fampiofanana omena azy ireo, dia manodidina ny fifidianana. Marina fa tsy mbola nolanian’ny parlemantera ny lalàna momba ny fifidianana kanefa misy tsara ho fantatr’izy ireo ny momba ny lisi-pifidianana. Nambarany fa efa vonona ny TIM amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018. Ankoatra izay dia nampahafantariny tamin’ireo mpiofana tonga teny an-toerana ny zava-misy iainan’ny firenena amin’izao fotoana. Tsy mipody isika, hoy izy, fa miroso amin’ny 2018 hametraka ny filoha Ravalomanana tahaka ny tamin’ny 2001-2002 satria na dia nopotehina aza izy dia mamiratra hatrany. Mila mpitantana mahay sy sahy i Madagasikara ary hampivoatra ny firenena tahaka ny filoha Ravalomanana ny firenena. Feno fahavononana sy fanantenana no nisoritra teny amin’ny endrik’ireo mpikatroka TIM rehetra teny Ankadikely Ilafy omaly. Anio kosa dia eny amin’ny Magro Tanjombato indray no hifantohan’ny sain’ny mpikatroka TIM sy ny olom-pirenena satria homarihina eny an-toerana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-68 nahaterahan’i Marc Ravalomanana. Hisy ny fety sy korana mifandraika amin’izany, ary hisy ny fanambarana lehibe hataony. Ny gazety Tia Tanindrazana, dia miarahaba manokana azy sy mirary soa hatrany ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany amin’ny risi-po ananany sy ny mbola fahavononany hitondra ny anjara birikiny hanarina ny firenena.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT