Ny toro-marika azonay avy eny Ambohitrimanjaka aloha, hoy, i Nenifara Antenaina Marie Georgette, mikasika ny hetsika lehibe hatao amin’ny sabotsy dia izao : tsy maintsy tonga daholo satria efa telo taona no niandrasanay an’io fotoana io mba halalanay koa ny marina eto amin’ny tany sy ny firenena satria ny haino aman-jery maro dia ankehitriny mandainga milaza ny zavatra tsy marina avokoa ny ankabeazany .
Ny gazety moa dia efa voarara ny ankabeazany tsy hilaza izay zavatra tena misy. Ny radio sy televizionim-panjakana dia efa tsy an’ny vahoaka intsony fa an’ireo mpanongam-panjakana teto ka noho izany rehefa zavatra nohon’ny fanonganam-panjakana dia tsy misy zavatra ara-dalàna sy marina amin’izay ka vonona Ambohitrimanjaka, hoy izy, ary izahay mino fa na Ambohitrimanjaka fotsiny aza hahafeno an’Ambohijatovo. Tsy mahataitra ny ramatahora fa rehefa tolona fitiava-tanindrazana tsy maintsy manao sorona ny tena ka vonona ny hanolotra ny manontolonay izahay hoenti-manavotra an’i Madagasikara latsaka anaty lavaka lalina ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.