Miketrika sy manomana ny ho avy politikany, indrindra ny fifidianana 2018 i Andry Rajoelina, ka mety tsy hipetra-potsiny intsony na eo aza ny antsojay politika efa nahazo sy mbola mety hahazo azy sy ny ekipany.
Henjana ny fanambarany ny 12 febroary 2017, fa tsy hisy olona hahasakana azy tsy ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Midika izany fa tsy azo hadika avy hatrany ho filavoana lefona ny fahanginany amin’izao fotoana, fa manomana ny paikadiny ny tenany, mba hiatrehana ny fahavalo politikany voalohany eto amin’ny firenena dia ny fanjakana HVM. Ady voalohany hatrehin’i Andry Rajoelina ny hahafahany mirotsaka soa aman-tsara hofidiana filoham-pirenena. Milofo fatratra amin’ny tsy famelana amin’ny fomba rehetra ny kandida manana herijika haharesy azy, toa an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, ary io efa iaraha-mahita io ny antsojay atao amin’ity farany. Vao mihetsika eo izany i Andry Rajoelina sy ny MAPAR, dia ho avy ihany koa ny HVM amin’ny angady sy ny harona. Ansan’ny antony nahalany an’i Hery Rajaonarimampianina rahateo ny fisian’i Andry Rajoelina tao an-damosina, izay nanao ny kajy maloto nampandaniana azy ny taona 2013. Mazava fa mety hiverina amin’ny Andry Rajoelina ny ampahany betsaka amin’ireo olona nandrotsa-bato ho an’ny filoha ankehitriny.
Manetsika tsikelikely ny olony
Tsy mbola tena midina an-kianja aloha i Andry Rajoelina na eto an-tanindrazana aza. Ny volana novambra izao ny tenany vao mety tena hiditra an-tsehatra amin’ny fitetezam-paritra, raha ny loharanom-baovao iray. Manomboka mihetsiketsika kosa ireo fikambanana sy rantsan’ny antokony, izay heverina fa toromarika avy aminy sy ny lohandohan’ny mpisorona. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny Fihaonambem-paritry ny CSANR V7V (Club des supporteurs Andry Rajoelina) any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Nanatanteraka fihaonana ny PRO-ANR eny Ivato ny faran’ny herinandro teo ihany mba hanomanana ny fanohanana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Manomana hetsika ara-panatanjahantena izy ireo, mba hanangonana olona. Ho raikitra ihany koa ny fizarazaran-javatra hakana ny fon’ny vahoaka, toy ny fanampiana ho an’ny zokiolona sy ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra mialoha ny fidiran’ny taom-pianarana 2017-2018. Miezaka mifoha ny MAPAR amin’izao saingy toa efa reraka sy rava ihany. Ireo olony tsy voavily na tsy voavidin’ny HVM, dia nanaovan’ny fanjakana don-tandroka sy ramatahora ny ankamaroany, toa an’i Kolonely Lylison, Solombavambahoaka Rahantanirina Lalao (Ninah), Augustin Andriamananoro, Elysée Ratsiraka … ka toa nipirina. Ny hafa kosa efa lasa namadika palitao toa an-dry Maharante Jean de Dieu, Ndaimananjara Johanita,… izay midika fa niparitaka sy lefy tanteraka ny herin’ny MAPAR.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.