Politique

Vono olona teo Mahamasina Voasava trano ny maty


  • Talata 28 Jona 2016

Taorian’ny fanokafana fanadihadiana, raha fisamborana no nandrasana dia fisavana trano

 

 no nirosoan’ny mpitandro ny filaminana taorian’ilay fipoahan-javatra nandritra ny lanonam-bahoaka tao Mahamasina ny harivan’ny 26 jona, nankalazana ny fetim-pirenena, izay nahafatesana tovolahy roa, 16 sy 18 taona, sy naharatrana olona niisa 90. Ny trano fonenan’izy roalahy namoy ny ainy ireo no nanombohana izany omaly. “Mampiahiahy” no voalaza fa antony. Tsy hijanona eo ny fisavana trano fa hitohy.

Etsy an-danin’izay dia manao ranolava, hatry ny omaly ny fanambarana ataon’ny firenena vahiny manameloka iny vono olona teny Mahamasina iny. Etsy an-kilany indray anefa, eto an-toerana dia miovaova ny fampitam-baovao ambaran’ny mpitondra fanjakana manodidina azy iny. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Mahafaly Olivier, dia samy nanondro avy hatrany iny tranga iny ho “asa fampihorohoroana” mifono politika, raha tonga nizaha ireo niharam-boina tao amin’ny HJRA ora vitsy taorian’ny loza. Raha nilaza fa mbola hiandry ny vokatry ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana momba ilay zavatra nipoaka tao Mahamasina ny alahady hariva iny, ny praiminisitra kosa tsy nisalasala nanambara fa “grenade offensive” ilay nipoaka.

Nisy filankevitry ny governemanta manokana omaly alatsinainy 27 jona, taorian’ny loza iny. Tsy nampiasaina ilay voambolana “asa fampihorohoroana” tamin’ny fampitam-baovao naparitaka tamin’ny mpanao gazety fa nosoloina “heloka bevava”, ary baomba vita tanana voasesika “billes” indray ilay nipoaka fa tsy “grenade offensive”, araka ny nambara ny alahady. Mitohy moa ny fanadihadiana ka ho hita eo ny fivoarany.

Mipenimpenina mitady ny havany

Fa 24ora taorian’iny fipoahan-javatra mahery vaika nandritra ny lanonam-bahoaka tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina iny dia betsaka ireo fianakaviana mipenimpenina mitety hopitaly, mitady ny havany. Tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha, dia nisy omaly vao nahita fa anisan’ny namoy ny ainy ny havany, ary mbola misy maratra tsaboina ao amin’ny hopitaly ny sasany. Nisy fianakaviana dimy hafa tonga teny, mbola mikaroka ny havany fa tsy hita nanomboka ny alahady 26 jona io. Raha ny tarehimarika ofisialy, navoakan’ny HJRA omaly tolakandro dia tovolahy roa, 16 sy 18 taona no namoy ainy teo Mahamasina, 90 hafa naratra, ka ny 23 amin’ireo mbola tazonina arahi-maso ny toe-pahasalaman’izy ireo. Nisy mbola nandalo fandidiana omaly. Nitombo iray indray moa ny maty omaly hariva araka ny vaovao voaray satria tsy tana ny ain’ilay zazakely 14 volana noho ny ratra mafy nahazo azy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT