Politique

Vonjy Iray Tsy Mivaky Hanome hery vao ny antoko


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Nametraka vina maromaro ny antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky nandritra ny filankevi-paritra nataon'izy ireo teto Analamanga.

Ny fangatahana ny hamerenana antsika amin'ny ara-dalàna aloha no tena nifantohan'ny resaka, dia izay hahatafitan'ny fifidianana. Io ihany mantsy ho azy ireo no lalana tokana sy lakile ahafahana mivoaka amin'ny krizy. Ilaina anefa ny fanavaozana tanteraka ny rafitra demokratika hahafahana mametraka izany Repoblika fahefatra izany, hoy i Pierre Le Noble, Sekretera Jeneralin'ny antoko sady filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, izany hoe mamelona toe-tsaina tia tanindrazana ao amin'ny demokrasia. Anisan'ny fotokevi-dehibe notsoahan'izy ireo, araka izany, ny hisian'ny fampiraisam-pirenena tokoa, sy ny fampandrosoana hanjakan'ny fifandanjana isam-paritra, ankoatra io demokrasia io. Nisy ny fanavaozana ireo rafitra mpitantana ao anatin'ny antoko, izay entina hanetsika ireo mpikambana rehetra manerana ny Nosy. Any Vangaindrano kosa no hotanterahana ny filankevitra nasionaly aorian'ny fahavitan'ny filankevi-paritra rehetra.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT