Elaela no tsy nandrenesana intsony ny feon’ny filohan’ny antoko politika RPSD Vaovao, Voninahitsy Jean Eugène. Niverina naneho ny heviny indray izy omaly ary avy hatrany dia ny mikasika ny tsy tokony hilatsahan’ny filoham-pirenena teo aloha,
Marc Ravalomanana hofidiana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 no nasiany tsindrim-peo mafy. Efa nomelohin’ny fitsarana izy ka raha tena manao ny asany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia tsy tokony hamela azy hilatsaka intsony. Tondroiny ho « Mpanavakavaka ka tsy mendrika ny ho filoha intsony » i Marc Ravalomanana. Dia mitamberina ao an-tsaina raha manao dia mianoatra ny mombamomba an’ity mpanao politika nitonon-tena ho Mandela gasy raha nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena tamin’ny farany teo ity. Ilay Mandela izay lazainy fa izy amin’ny endriny rehefa gasy amin’io dia efa avy nigadra nitovy tamin’ny tenany tamin’ny 10 taona lasa mahery ihany. Ny an’ilay filohan’i Afrika Atsimo teo aloha dia noho ny resaka ady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra no antony nampidirana azy tany am-ponja fa ny an’i Mandela Gasy kosa dia resaka seky tsy misy anto-bola “Chèque sans provision”. Mbola navela nirotsaka ho filoham-pirenena anefa izy taorian’izay. Efa voaporofo ve ny maha olo-meloka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Olona mpanavakavaka ve dia mahavatra midina eny ifotony manao fitetezam-paritra sy miara-mihinana mofo gasy sy kafe amin’ny valalabemandry ? Hadalana ary ve izany ny nametrahana ireo rafitra natao hampihavanam-pirenena, toy ny CFM amin’izao ary adala koa ve ireo vondrona iraisam-pirenena izay mampirisika ny amin’ny tokony hilatsahan’ny rehetra ? Sao dia mba diso fiditra ihany ity mpanao politika ity ka vao niverina nipoitra dia nanondrana soa aman-tsara avy hatrany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.