Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Omaly “Tsia”, anio “Eny”


  • Zoma 02 Septambra 2011

Tsy nety haneho hevitra mivantana mikasika an’ilay fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny haino aman-jery ny alarobia alina 31 aogositra ny ankamaroan’ireo mpanao politika natonin’ny mpanao gazety omaly, na ireo mpanohana ny fitondrana FAT izany, na ny avy amin’ny Ankolafy 3.

 Ny valin-teny niraisana azo avy amin’izy ireo dia ny hoe : “aleo aorian’ny fandevenana ireto niharam-boina tany Soanierana Ivongo ireto vao miresaka politika indray”. Na izany aza dia nahazoana fanehoan-kevitra ihany ny filohan’ny vondrona Les AS, Voninahitsy Jean Eugène, izay nilaza ho miray hevitra amin’ny filohan’ny FAT tanteraka raha ny mikasika ny fanambarana nataony tamin’io alarobia 31 aogositra io. “Diso hoy izy ny filazana etsy sy eroa hoe tsy mety hanao sonia ny sori-dalana nasiam-panitsiana ny vondrona V6 misy anay raha niala ny trano fivoriana teny Ivato tamin’ny alatsinainy teo.

Mbola averiko eto fa ny hevitra fanatanterahana fifidianana mialoha ny fanaovana an’io sonia io no toherinay”. Mbola nohamafisiny ihany koa fa raha ho an’ny tombontsoan’ny firenena dia tsy misakana velively ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana izy. Ary satria izy niharan’ny fanagadrana tamin’ny andron’ity filoha taloha ity no milaza izany dia heverina fa tsy mpamadika mihitsy izy amin’izany. Nambarany koa anefa etsy an-kilan’izay fa tsy misakana izay mety ho fampiharana ny lalàna aorian’izay resaka fampodiana izay ny tenany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT