Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Nivadihan’ny TGV sy ny UDR-C fanindroany


  • Alakamisy 08 Desambra 2011

Kandida anisan’ny nifaninana ho filohan’ny Kongresin’ny tetezamita i Voninahitsy Jean Eugčne saingy tsy lany tahaka ireo mpifaninana roa hafa dia i Beza Seramila (Tambatra) sy Ratsimanary Jean Bosco (Monima).

 Mendri-piderana anefa ny zava-bitany satria nahazo isam-bato 136 ny tenany tamin’ny mpifidy 354. Io isam-bato io izay nametraka azy ho laharana faharoa taorian’i Mamy Rakotoarivelo. “Manaiky ny demokrasia ny tenako satria izay no valim-pifidianana ary tsy kivy aho satria mpanao politika. Mirary aho mba hitondra amin’ny fampiharana ny tondrozotra marina ka ahafahana miroso amin’ny fifidianana izao”, hoy i Voninahitsy Jean Eugène. Manana ny fanazavany momba ny fahareseny ity filohan’ny Les AS ity. “Nivadika tamiko ka nanao fifanarahana mifanohitra amin’ny lojika ny TGV sy ny UDR-C. Raha nanohana ahy fotsiny ireo TGV miisa 57 dia lany aho”, hoy izy. Nivadihan’ireto farany fanindroany izany i Voninahitsy Jean Eugène izay efa niharan’io fivadiham-pitokisana io koa tamin’ny fifidianana filohan’ny CT izay nifanandrinany tamin-dRaharinaivo Andrianatoandro.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT