Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Nisitri-belona


  • Talata 27 Desambra 2016

Ahatadiavan’ny maro an’i Voninahitsy Jean Eugčne filohan’ny antoko politika RPSD Vaovao ny nirotsahany hofidiana filoham-pirenena ny taona 2013, ary nanohanany an’i Hery Rajaonarimampianina tany amin’ny fihodinana faharoa. Namorona ny vondrona politika antsoina hoe :

VMSA (Vondrona Miaro ny Safidim-bahoaka sy ny Ara-dalàna) izay niaro fatratra ny filoham-pirenena ny tenany sy ireo mpanao politika mersenera niray feo taminy taorian’izay. Nivadika ny tenany rehefa niseholany ny fanakianana ny fitondrana ankehitriny ary niha maro ny hetsi-panoherana izay noheverina hahery vaika, toy ny nandanian’ny solombavambahoaka miisa 121 tamin’ny 152 ny fitsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena noho ny tsy fanajana lalàmpanorenana ny 26 mey 2015, ka nampalaza ilay “motion de déchéance”. Fotoana vitsy taorian’io fahalanian’ny fitsipahana ny filoha io dia nanao fanambarana amin’ny fametram-pialany tsy ho mpanolotsaina an’i Hery Rajaonarimampianina intsony i Voninahitsy Jean Eugène ny 29 mey 2015, ary nilaza fa manohana ny fanonganan’ny Antenimiera ny filoha.

“Soavaly be tongotra” 

Notsipihiny nazava tamin’izay fa tsy nisy ny didim-panjakana manokana manendry azy ho mpanolotsaina fa am-bava ny fanendrena, ka am-bava ihany koa ny fametraham-pialany. “Sarotra atoro i Hery Rajaonarimampianina ary efa hirodana io fanjakana io”, hoy izy tamin’izany. Mbola narahiny tamin’ny filazana fa tsy mety aminy ny miaraka amin’ny « soavaly be tongotra ». Rehefa nalefa teny anivon’ny HCC ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipahana sy fanonganan’ny solombavambahoaka ny Filoha, dia nanda izany ity andrim-panjakana ity, ka nitaky ny hitadiavana marimaritra iraisana tamin’ny alalan’ny fametrahana ny fifanarahan’andraikitra (Pacte de responsabilité) teo amin’ny Filoha sy ny Solombavambahoaka. Taorian’izay no tsy re feo intsony i Voninahitsy Jean Eugène izay azo lazaina ho nijabaka ihany noho ny fanapahan-kevitra sy ny teny nataony. Tahotry ny hanara-dia ireo mpanao politika nalefan’ity fitondrana ity efa eny Antanimora ny amin’izay mety ho valifaty politika avy amin’ny filoha sy ny ekipany sa antony hafa mihitsy no mampangina sy nampisitrika ka tsy ahitana popoka azy ?

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT