Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Nahazo famotsoran-keloka koa


  • Alarobia 10 Aprily 2013

Raha nisy ny zavatra tena nandrandrain’ny filohan’ny Les AS Voninahitsy Jean Eugčne tamin’ity fitondrana ity dia ny hahazoany famotsoran-keloka.

 Isaky ny mampiantso mpanao gazety ny tenany dia ambetin-teniny hatrany io. Tsy tao anaty lisitra izy tamin’ilay andiana mpanao politika voalohany niisa 16, nahazo famotsoran-keloka, ny 18 febroary 2013. Anisan’ireo 20 nisitraka izany kosa anefa tamin’ny lisitra faharoa navoakan’ny fitsarana manokana eo anivon’ny fitsarana mpandrava didy ny zoma 05 aprily 2013 lasa teo. Misy manamboninahitra kolonely 11 sy lietna kolonely 1 ary olon-tsotra hafa mameno ny isa ho 20. Efa nampoizina ihany izao fahazoany famafana ny heloka nanasaziana azy izao satria i Pierrot Rajaonarivelo izay nenjehan’ny fitsarana noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana aza nomena famotsoran-keloka ka rariny raha mba mahazo izany koa izy. Miverina ho toy ny olompirenena manana ny zo feno izany i Voninahitsy Jean Eugène ary azo antoka ny handraisany anjara amin’ny fifidianana, araka ny efa nambarany. Ny karazam-pifidianana hatrehany no mbola baraingo. Nisy fotoana izy nilaza fa tsy hanao depiote ao Maintirano intsony noho izy efa lany tao matetika. Tamina fahilavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra i Voninahitsy Jean Eugène no nilaza fa ny Les AS no manapaka na ho kandida filoham-pirenena izy na tsia na hanohana kandida ny Les AS.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT