Resaka tora-po no nibahan-toerana teny Ivato fa tsy fampihavanana velively, hoy i Voninahitsy Jean Eugčne.
“Tsy ho mora ny hampihatra ireny fehin-kevitra ireny satria tsy hanaiky mora foana ny fanjakana raha tsy hoe miandany amin’ilay fehin-kevitra angaha ny foloalindahy”, hoy ny filohan’ny Les AS sady kandida filoham-pirenena. Aminy dia fitiavan-tena no nataon’ireo mpizaika teny Ivato tsy mijery ny vahoaka madinika izay efa maty mosary ankehitriny, matoa mbola mikasa hanitatra ny Tetezamita indray. Nitondra fanamarihana koa ny tenany fa “tsy mihevitra ny hitsoaka andaharana velively raha tsy ireo kandida rehetra no miray hina hanatanteraka izany ho fanoherana ny fihetsik’i Andry Rajoelina”.
Momba ny CES dia ilaina maika ny fanitsiana ny lalàna manangana azy ahafahana manova ireo mpikambana. Raha ny soso-keviny dia asiana mpitsara tendren’ny kandida ao anatin’ny CENI-T mba hisorohana ny fiverenan’ny fahotana mahafaty izay efa nataon’ity fitsarana manokana misahana ny fifidianana ity. Milaza i Voninahitsy fa tsy ho azo antoka mihitsy ny valim-pifidianana havoakany eo raha mbola ny ekipa mandrafitra azy ankehitriny no mijanona amin’ny toerany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.