Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Mihantsy ny CES


  • Alarobia 29 Mey 2013

Anisan’ireo kandida filoham-pirenena tsy nametra-pialana ny CT Voninahitsy Jean Eugčne.

 Fanahy iniana mihitsy ny azy raha ny fanazavany satria tsy olom-boafidy ny tenany fa olom-boatendry ka tsy voakasiky ny lalàna milaza ny fametraham-pialana 60 andro alohan’ny androm-pifidianana. «Tsy misy tokony hametra-pialana torak’izany koa ireo CT sy CST kandida afa-tsy ny filohan’ny CST ihany», hoy izy. Ity farany anefa izay nisintona ny firotsahan-kofidiany araka ny antontan-taratasy nampanateriny teny amin’ny CES ny alatsinainy 27 mey teo. Na izany aza dia hanatitra ny fametraham-pialany amin’ny maha CT azy eny amin’ity Fitsarana manokana momba ny fifidianana ity ihany i Voninahitsy Jean Eugène anio.

«Ny 24 mey teo no fara-fanaterana ny fametraham-pialana raha ny lalàna fa tsy ny 27 mey akory nefa mody fanina ry zareo. Iniako atao tara mihitsy ny fanaterako ny antontan-taratasiko eny ka ho hita eo izay hataon’ireo mpitsara ireo”. Fomba entiny hamakiana bantsilana ny CES izay tsy mijanona ho mpampihatra lalàna fa lasa mpanao lalàna ihany koa izao fihantsiana mivantana azy izao. Noho ity fitsarana ity nandray sy nankato ny fitrotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina taorian’ny fe-potoana voafetran’ny lalàna no mahatonga izany. Amin’ny filohan’ny Les AS dia tsy manan-tsafidy ny CES fa na izy mankato ihany koa ny fametraham-pialany ao amin’ny Kongresy na milaza fa tsy tokony hiala ireo Parlemantera olom-boatendry mirotsaka hofidiana ka miverina amin’ny andraikiny.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT