Tahaka ny efa nataony mialoha ny fihaonana voalohany teo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina tany Seychelles dia mbola nanamafy ny tsy tokony hikitihana ny tondrozotra i Voninahitsy Jean Eugčne, filohan’ny Les AS.
Nambarany fa tsy mitsipaka ny fihaonan’ny roa tonta ny tenany saingy manda kosa ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy voalaza ao anatin’ny tondrozotra. «Tsy maintsy ifanarahana amin’ireo vondrona 10 mpanao sonia ny tondrozotra raha misy hevitra hafa fa tsy manapaka samirery izy ireo» hoy izy. Momba ny resabe manodidina ny fiverenan-dramatoa Ravalomanana Lalao izay tsiahivina fa natosika amin-kery hiala teto an-tanindrazana dia nilaza i Voninahitsy fa tsy manana olana amin’ny fidiran’ny vadin’ny filoha teo aloha eto Madagasikara ny tenany. Nomelohiny koa ny fanapenam-bava ny praiminisitra tao amin’ny TVM sy RnM ka nilazany fa ny fanoherana izany no antony nitolomana teto nefa averina indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.