Tantara sisa ilay fiarahana mamy teo amin’i Andry Rajoelina sy Voninahitsy Jean Eugčne.
Nolavin’ity farany tsirairay avokoa ireo teboka noresahan’ny filohan’ny tetezamita ny zoma lasa teo nandritra ilay fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Momba ny resa-pifidianana dia nilaza ny filohan’ny Les AS fa nisy tokoa ny fampiantsoan’ny CENI-T ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra ka nanatrika izany ramatoa Rakotomavo Lanto avy amin’ny TGV. “Tsy mpanao sonia ny tondrozotra anie i Andry Rajoelina ka tsy nasaina hanatrika io fihaonana mihitsy e ! Ankoatra izay dia azon’ny vondrona manohana azy natao no niady ilay famadihana ny rafitry ny fifidianana fa tsy nanao izany ry zareo. Tsy marina ny filazana fa mivarotra tanindrazana izany ny CENI-T. Manana solontena ao rahateo koa ny vondrona mpanohana azy”, hoy i Voninahitsy Jean Eugène.
Milaza ho talanjona koa ity farany manoloana ny filazan’i Andry Rajoelina fa hiteraka korontana ny fanemorana ny datim-pifidianana. “Ny mpitondra indray ve no milaza izany ? Mety ho marina ny azy raha amin’ny 2014 vao atao ny fifidianana” raha ny heviny. Nampitandrina mafy momba ny fikasana hanolo ny praiminisitra Beriziky koa i Voninahitsy ka nilaza fa “mety hisy korontana tsy hilamina eto raha miditra amin’izany Ambohitsorohitra”. Mbola naveriny indray fa tsy misy afaka mifanaisotra izany ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Nomen’i Voninahitsy anatra koa i Andry Rajoelina momba ny fitondrantena. Nambarany fa tsy fomba fiteny ny hoe : “tsy misy tia tanindrazana ireo milaza ho kandida”. Aminy dia tompon’andraikitra amin’izao fahasahiranan’ny vahoaka izao ireo mpitondra nifandimby izay tsy nomanina hitantana firenena akory fa tonga kisendrasendra teo amin’ny fitondrana ary anisan’izany i Andry Rajoelina.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.