Politique

Voninahitsy Jean Eugčne "Izahay no patron-n’i Andry Rajoelina..."


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Ho an’i Voninahitsy Jean Eugčne, filohan’ny vondrona politika Les AS (Les Autres Sensibilités) dia tsy misy intsony antony tokony hihaonan’Atoa Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, satria tsy raharahan’olon-droa no misy eto fa raharaham-pirenena.

 Raha te handeha hihaona amin’ny filoha teo aloha, moa i Andry Rajoelina dia azy ny azy. Nahitsy ny filohan’ny Les AS raha nanambara fa tena hafahafa mihitsy ny fihetsika sy ny fomba fiasan’ny SADC, ary raha misy ny tena mampiady ny Malagasy dia ny SADC no voalohany amin’izany, hoy ihany izy. Lalaovin’ny SADC fotsiny isika, araka ny fahitany azy. Raha misy ny fihaonana tsy maintsy hatao momba ny fanitsiana na fanampiana ny tondrozotra, dia ireo vondrona politika 10 nanasonia azy tamin’ny 17 septambra 2011 no tokony hantsoina hivory, hanatanteraka izany fa tsy olona roa na telo. Tsy dia manantena zavatra firy amin’ity fihaonan’ny roa tonta ity izahay ao amin’ny Les AS ary mihevitra fa tsy hanova na inona na inona amin’ny zava-misy eto, izay hifanarahan’izy mianaka any. Nametraka fepetra Atoa Voninahitsy fa raha toa ka handeha hihaona amin’i Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina dia tokony hampivory ireo vondrona politika 10 nanasonia ny tondrozotra aloha.

Nahitsy izy nilaza hoe : "izahay no ‘patron”-n’i Andry Rajoelina, ny sonia nataonay no naha filohan’ny tetezamita azy, ka rariny loatra raha mba manontany ny hevitray aloha izy mialoha ny handehanany fa tsy hoe izay saim-pantany sy ny zavatra kononkononin’ny ao Ambohitsorohitra ao fotsiny no hoentina any". Ho an’ny mpandinika ny raharaha politika eto dia efa miendrika fampitandremana an’i Andry Rajoelina izany fanambaran’ny filohan’ny Les AS izany. Raha hanaiky ny fifanarahana any ny filohan’ny tetezamita, dia mety hotsipahan’ireto vondrona politika nanohana azy hatramin’izay ireto, izy. Ho an’ny Les AS moa dia anisan’ny tafiditra ao anatin’ny hoe fifanarahana hafahafa tsy azo ekena, ny fankatoavana ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-kalalahana eto, na dia efa voasoratra mazava ao amin’ny tondrozotra nosoniavin’izy ireo aza, izany. Tsy maintsy horesahana mandritra ilay fihaonana anefa io, ary takian’ny sehatra iraisam-pirenena mba hampiharina, ka asa izay hataon’ny filohan’ny tetezamita ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT