Eo ny fifidianana fa eo koa ny sosialim-bahoaka, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Vondron’Olon-Tsotra, raha naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena omaly.
Miha mivaralila sy lasa anjorom-bala io sosialy io, hoy ny filohan’ny VOT, Sarah Zoé. Ny mahafinaritra no alohan’ny mahasoa. Mitombo ny olona maty. Efa tsy takatry ny aina intsony ny saran’ny fidirana hopitaly sy vidim-panafody. Lasa atao maodely ny fitsaboana tena any am-pitan-dranomasina, hoy hatrany ny tenany. Fantatry ny mpitondra ve izany rehetra izany ? Alefa miroborobo ny teknolojia nefa tsy mifanaraka amin’ny fari-piainan’ny vahoaka. Ampidirina ny zava-misy mamoafady. Mirongatra ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Aiza ny soatoavina fa voaota fady ny hasim-pirenena. Tsy ny fananana voambolana sy fitenenana no ilaina fa ny fanatanterahana ny andraikitra, hoy izy. Mila mifampiresaka sy Mankato ny vahoaka ato anatiny ny mpitondra raha tsy te hopotehin’ny any ivelany. Antsoina ny mpandraharaha any ivelany kanefa ny ato anatiny dia mampametra-panontaniana hoe voafehy ve ny resaka fandriampahalemana ? Mila fifampiresahana amin’ny hery politika rehetra ny mpitondra mba hahafahana manavao ny rafitra misy. Eo no ilàna mpanohitra satria zava-doza no hitranga raha tsy misy mpanohitra. Eo no hidirana amin’ny fifidianana satria naman’ny famitahan-tena ny mbola fangalaram-bato. Aleo tonga dia tendrena ireo tomponandraikitra. Raha izay anefa no atao dia mila tsaroana fa tsy ho zaka io vahoaka io raha mitroatra, hoy hatrany ity filoha ity. Miantso ny vahoaka mba hanara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana moa ny VOT ary nilaza fa mila miaro ny safidiny ny vahoaka raha tsy tiany ho lasana mpanao fairano fa tsy velirano akory ny fahefana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.