Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny Vondron’olon-tsotra manoloana ny antsojay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nambaran-dRtoa Sarah Zoe, filoha nasionalin’ny VOT fa ny fitiavan’ny Malagasy an’i Neny sy Dada mihitsy no tsy zakan’izao fitondrana mijoro izao, hany ka mitady hirika hamotehana ny kaominina hatrany izy ireo.
Olom-boafidy anefa i Neny Lalao, noho izany, manana ny zony feno izy amin’ny fitantanana fa tsy olom-boatendry toy ny PDS teo aloha. Ny tsy fahaizan’izao fanjakana izao mitantana no mampahantra ny vahoaka Malagasy ka mampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Rehefa mitady vahaolana ny hamahana izany anefa ny ben’ny tanàna dia ravana ny trano fivarotan’ireo mpivarotra izay nanomboka teny Anosy ka hatrany Behoririka, hany ka very fanahy mbola velona ny vahoaka. Aoka izay ny antsojay. Avelao hiasa malalaka ihany koa ny ben’ny tanàna fa aza mihevitra ny vahoaka ho bado. Aza atao tip top toy ny asa fanamboaran-dalana ny fiainam-bahoaka ary any amin’izay handrefesany ny fahefany no tokony hampihatra izany ny be kintana fa tsy any amin’ny asa fiveloman’ny vahoaka madinika sy ny olom-boafidy. Nanambara moa ny VOT fa raha mitohy izao dia tsy hipetra-potsiny intsony izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.