Fantatra omaly nandritra ny kabarin’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra fa hanao ny kongresy lehibe voalohany ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia ( RMDM) amin’ ity taona ity.
Mbola ho lazaina amin’ ny manaraka ny fotoana hanantanterahina izany fa dia mila mifanentana mialoha isika, hoy ny fanambarana. Nanao antso avo amin’ireo antoko politika hafa na vondron’ olona mahatsapa fa mandeha any amin’ ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena mba hampivondrona ny hery miaraka aminy, ity filoha teo aloha ity sy ny RMDM.Iray andro aty aorian’ny nnanambaran’i Hery Rajaonarimampianina ny fikarakarana fakan-kevitra nasionaly no mivoaka izao resaka kongresin’ny RMDM izao; tsy hoe voatery misy ifandraisany avy hatrany saingy azo ilazana kosa fa mihetsika ny mpanohitra.Tsy resaka fidinana an-dalambe aloha izany no atao ho fanoherana ny fitondram-panjakana, na fitakiana ilay toeran’ny filoha lefitra ho an’ny mpanohitra eny amin’ny antenimieram-pirenena, fa kosa famoahana fehin-kevitra.Araka ilay nambaran’i Marc Ravalomanana ihany hoe natao arofanina ho an’ny mpitondra ny mpanohitra ka milaza ny tsy mety ary mandroso ny vahaolana heveriny fa mety kokoa ho an’ny vahoaka sy ny firenena.Anisan’ny niantso firaisankina sy fihavanana ihany koa ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny krismasy 2019 lasa teo , ka asa hoe ho raikitra amin’izay ve ilay fampihavanam-pirenena tena izy, na fifampiresahana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra sa mbola kabary an-tany efitra tsy misy mpihaino indray ny an’ny mpanohitra.Tsara ho tadidiana anefa fa io fanaovana be marenina io ihany no nahavoa ny fitondrana HVM, herintaona sy tapany lasa izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.