Politique

Vondrona SADC Tsy politika fotsiny fa ekonomika koa


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Nifarana omaly ny loabary an-dasy nasionaly nandritry ny 2 andro momba ny drafitra lasitra stratejika ho fampandrosoana ny vondrom-paritra Sadc izay natao tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy niaraka tamin’ny hetsiky ny fiarahamonim-pirenena Rohy.

 

 Nampahafantarina tamin’ny andro voalohany moa ny fidirantsika ao anatin’izay paikady rezionaly izay, raha ny fanazavana,  ary napetraka omaly kosa ny paikady izay iraisan’ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny firaisamonim-pirenena. Ny tanjona, hoy ny filohan’ny Rohy, dia ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy indostria aty amin’ny fari-piadidian’ny Sadc sady fampahatsiahivana ny rehetra ihany koa fa be ny tombony eo amin’ny lafiny toekarena ao amin’ity vondrona ity izay tokony tena ifantohan’i Madagasikara. Ny lafiny fandraisan’anjaran’ny Sadc tamin’ny fandaminana ny raharaha politika nisy teto amintsika hatrany mantsy, hoy izy, no tena tsaroantsika.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT