Politique

Vondrona SADC Ireo fanapahan-kevitra mety horaisiny


  • Zoma 17 Aogositra 2012

Raha ny fahitana azy dia tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto Madagasikara i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy.

 Mazava be ny antony nitondrany ireo jeneraly telo any Maputo, mba hilazana fa tsy manaiky ny hodian-dRavalomanana ny foloalindahy ary ho sarotra ny fiarovana azy raha toa ka tonga eto izy. Efa nihaona tamin’ny SADC ireo manamboninahitra ireo, ary naharitra ny adihevitra. Tonga anefa ity ny fotoana tsy maintsy hanapahan-kevitra amin’izay. Miankina tanteraka amin’ny SADC ny zavatra hitranga satria efa fantatra ny masaka ao an-dohan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Raha milaza ny SADC fa tokony hampiharina ny tondrozotra ary ilaina ny fisian’ny fitoniana mialoha ny fifidianana, dia tsotra ny safidy fa avela mody malalaka eto i Marc Ravalomanana, mandray anjara feno amin’ny tontolo politika ary afaka mirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Raha ambara indray moa fa tsy mbola feno ny fepetra ara-pilaminana, ary naharesy lahatra ny SADC i Andry Rajoelina sy ireo jeneraliny dia mety mbola hihitsoka any Afrika Atsimo ihany ity filoha teo aloha ity dia mitohy manao izay tiany ny fitondrana FAT.

Raha misafidy ilay politikan’ny mody fanina kosa ny SADC dia mety hilaza indray fa anjaran’ny Malagasy samy Malagasy no mifandamina, dia efa iaraha-mahalala ihany fa savorovoro no haterak’izay satria hahazo vahana eto ny didin’ny besandry. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa nandritra ny diany farany teo teto Madagasikara dia efa nanatsidika ingahy Marius Fransman fa azo atao tsara ny manome sata manokana ireo filoham-pirenena teo aloha. Resaka efa nitranga tany aloha izy io ka nilazana fa apetraka anaty rafitra iray manokana mihitsy ireo filoha teo aloha, atao karazana mpanolotsaina sy fakan-kevitra izy ireo, saingy tsy miditra mivantana amin’ny sehatra politika intsony, izany hoe tsy kandida na amin’inona na amin’inona. Mety tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny mpanelanelana ihany koa io safidy fahatelo io.

Ny mampanahy ny maro dia sao lahy rehefa tsy mety hita ny marimaritra iraisana ity, ka hampiditra tafika eto ihany ny vondrona SADC hampandry tany sy hiahy ny fitandroana ny filaminana, efa tranga mpiseho matetika taty Afrika izy io mantsy. Efa zavatra hafa mihitsy anefa izany hoe misy tafika vahiny, miditra eto izany, tahaka ny manaporofo fa tsy mahay mifanaraka ny Malagasy, ary tsy mahavita azy ny foloalindahy fa efa nidiran’ny resaka politika koa. Azo eritreretina koa anefa hoe tsy hisy fanapahan-kevitra hentitra avoaky ny SADC momba an’i Madagasikara fa dia hanome fe-potoana hafa, indray mba hahafahana manohy ny fifampidinihana ny mpanelanelana. Zavatra mety hitranga daholo izany rehetra izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT