Manomboka mampametra-panontaniana ankehitriny ny fahafahan’ny vondrona SADC mamaha ny olan’ireo firenena mpikambana ao aminy. Raharaha telo goavana no mbola miandry vahaolana dia ny ao amin’ny Repoblika demokratikan’i Kongo na RDC, ny atsy Zimbaboe ary ny eto Madagasikara.
Hatramin’izao dia mbola misy ady sy fifamonoana any RDC, ny ao Zimbaboe dia fanelanelanana nandritra ny dimy taona no nataon’ny SADC, saingy mitoetra hatrany ny olana fototra dia ny fifanandrinan’ny filoha Robert Mugabe sy ny praiminisitra Morgan Tsivangirai, tahaka ny efa nitranga tamin’ny 2008. Manery mafy ny hanatanterahana fifidianana any Zimbaboe amin’ny 31 jolay izao ny SADC kanefa ny filoham-pirenena sy ny praiminisitry ny marimaritra iraisana aza tsy mbola mifanaraka hatramin’izao. Toy ny miseho eto Madagasikara dia mbola eo am-pelatanan’ny filoha Mugabe ny foloalindahy sy ny mpitandro filaminana, voafehiny ny resaka haino aman-jery sy fampitam-baovao, voatapim-bava ny mpanohitra.
Ary farany teo aza dia efa nandrahona ny hanala an’i Zimbaboe ao amin’ny SADC mihitsy i dadabe Mugabe. Eto Madagasikara indray dia fahotana mahafatin’ny SADC ny nanaiky an’i Andry Rajoelina, izay mpanongam-panjakana ho filohan’ny tetezamita, araka ny voasoratra ao anatin’ny tondrozotra. Fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana eto Madagasikara sy ny lalana iraisam-pirenena izany, ary anton’izao krizy saro-bahana izao. Mpanongam-panjakana no mitondra an’i Madagasikara ao anatin’ny efa-taona fa dia mangina ny SADC ary mialokaloka ao ambanin’ny tondrozotra fotsiny. Tsy fantatra intsony na mpanelanelana na mpitsara na mpandamina na mpanakorontana ry Joaquim Chissano sy Leonardo Simao, fa ny tsapa aloha dia misavorovoro ny tontolo politika eto Madagasikara isaky ny andalovan’izy ireo.
Tsy tena hoe nisy ady an-trano mahatsiravina anefa tany Zimbaboe na teto Madagasikara, fa olana politika ihany, saingy tsy vitan’ny vondrona SADC ny namaha ny olana. Inona no mety ho anton’izany ? Tsy mbola ampy traikefa amin’ny famahana krizy ve ireo diplaomatin’ny SADC sa tsy mahay mihitsy sa sanatria mpikaramanady ka mandray vola etsy sy eroa mba hanao izay hampaharitra ny krizy ? Inona intsony moa no ilana ny SADC raha toa ka firenena goavana 3 amin’ireo 14 mpikambana ao aminy no miaina ao anatin’ny krizy politika sy fihemoran’ny toekarena efa ho 5 taona ? Raha tsy mahita vahaolana amin’io ny SADC dia azo antoka fa hiparitaka any amin’ny firenena hafa, mpikambana ao aminy, ny krizy, satria mifandray ara-barotra ny 14 tonta.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.