Politique

Vondrona politika valo Naneho fa nilamina ny disadisa


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Tsy nionona tamin’ny fanambarana nataony tao amin’ny lapa maitso Anosikely ny alatsinainy teo ny V8 fa nanao fanambarana niaraka tao amin’ny Carlton indray omaly naneho fa niravona ny disadisa ary niray hevitra ny rehetra.

 Eto dia ireo vondrona nanao rangopohy ny sori-dalana teny Ivato ny 9 martsa lasa teo no resahana. Tsy nisy niova ny fanapahan-kevitra fa ireny efa fantatra ireny ihany. Eo aloha ny fifanarahan’ny rehetra amin’ireo fepetra izay mety horaisina mialoha ny sonian’ny sori-dalana toy ny fitenenan’izy ireo amin’ny feo tokana manomboka izao. Manaraka izany ny tsy fiovan’ny tondrozotra hosoniavina ankoatra ny andalana faha-20 ihany, izay voatsipika hatrany fa neken’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao, ary izy io dia hosoniavina ny zoma 16 septambra ho avy izao. Hitohy amin’ireo Ankolafy telo ny fifanakalozan-kevitra araka ny voalazan’izy ireo, ary vonona ny hanao izany ny V8. Ankoatra izay dia nilaza ireto vondrona ireto fa tsy misy lalana ivoahana afa tsy ny fifidianana ihany. Nihazo an’Ivato amin’ny fihaonana tamin’ireo solontenan’ny Troïka izy ireo taorian’io fanambarana io.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT