Mijoro ao Toamasina ny vondrona politika antsoina hoe : GRAPPE na “Groupement Régional des Associations et des Partis Politiques de l’Est”, izay nadikan’ireo mpikambana ihany koa hoe : “TAMBABE”.
Prosefora Ratsivalaka no filoham-boninahitry ny vondrona, Atoa Razanajatovo Simon (Saddam) kosa no filoha mpitarika azy. «Ny fahamarinana no foto-kevitra tokana ijoroanay sy hajainay izay manaja izay no tohananay sy ho namanay ary ho mpiara-dia aminay», hoy ny Pr Ratsivalaka. Nomarihiny fa «fikambanana tsotra sy ara-politika miisa 24 ny manorina ny vondrona, ary izahay ihany no hany vondrona politika manana ny foibenay aty amin’ny faritra». Vonona ny hiatrika ny fifidianana rehetra ny GRAPPE araka ny tanjon’izy ireo saingy afaka mifanohana amin’ireo vondrona na antoko politika hafa koa izy ireo raha manana ilay fahamarinana ijoroany ireo mila fanampiana aminy.
Raha ny raharaha politika misy ankehitriny kosa, dia tsy nisalasala ny Pr Ratsivalaka nilaza fa «tsy misy mpanao politika marina sy fanjakana miaro ny marina izany eto, fa izay manao ny marina na dia kely aza dia ankasitrahanay. Ny mampalahelo izao dia manambany ny Malagasy ny ankamaroan’ny mpanao politika, hany ka very hasina ny firenena, very harena ny Malagasy ary simba tanteraka ny fiarahamonina». «Raha izahay no mahazo fahefana, dia anisan’ny hapetrakay ny antsoina hoe : ‘minisiteran’ny fahamarinana’ ka ireo olobe sy ireo manampahaizana manam-panahy manerana ny Nosy no mpikambana ao sy misahana ny asa ao anatiny», hoy hatrany ity profesora ity namarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.