Nasiam-panovana ny filohan’ny Vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
Ny solombavambahoaka Randriamandimbisoa Félix, voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra indray manomboka izao no filoha mitarika ny Vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara mandimby toerana ny solombavambahoaka Andriamitantsoa Benjamin, voafidy teny Avaradrano. Ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana no nanambara izany ofisialy omaly, nandritra ny fihaonamben'ny Tiako I Madagasikara, Distrikan’Ambohidratrimo natao teny Anosiala omaly alakamisy 25 febroary 2016. Raha ny fanazavana azo dia « fandaminana anatin’ny antoko no anton’io”. Manana solombavambahoaka 21 ny Tiako i Madagasikara ao amin’ny Antenimieram-pirenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.