Politique

Vondrona parlemantera TGV Niezaka nandala ny fihavanana


  • Zoma 13 Aprily 2012

Taorian’ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly alakamisy dia nanana ny heviny ireo CT ao amin’ny vondrona parlemantera TGV. Ilay izy moa izany, araka ilay hitantsika teo, dia nandeha ilay fifidianana tsy maintsy misy ny mpandresy ary tsy maintsy misy ny resy ka ny ankolafy Ravalomanana izany rehefa tonga teo amin’ny andininy faha-5 misy ny resaka singa tsy ahazoana famontsoran-keloka dia nangataka nivoaka ry zareo,hoy ny CT Andriamalala Mamy Freddy.

 Izaho moa amin’ny maha-filohan’ny vondrona TGV aho dia mangataka foana fiaraha-miasa sy fiaraha-midinika dia nanasa an-dry zareo aho tsy hivoaka ny efitrano fa handsray anjara tanteraka hanohy ny dinika ato anaty kongresin’ny tetezamita. Izahay moa mandala ny fiaraha-monina fanhendrena malagasy amin’ny hoe : izay resy tsy akoraina izay maharesy tsy hobiana izay no nahatonga anay hiteny hoe samy tompon’andraikitra amin’ity famahana ny krizy ity ary tsisy mpanao politika iray na roa, vondron’olona iray na roa afala mitondra irery ity firenena ity fa tsy maintsy hiaraha-mitantana , hita izany amin’izao vanim-potoana amoahana amin’ny krizy izao.

SARY : CT Andriamalala Mamy Freddy(Sary Rakotobe Michel)

Anisan’ireo niara-nifaly nandany tavoahangina fisotra avo lenta maromaro tamin’ireo CT be dia be ankoatra ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny “cafeteria Tsimbazaza” ny vondrona parlemantera TGV. Ilay hoe hafaliana angamba amin’ny anarako XT Rakotoarisoa Falihery amin’ny maha-Tgv ahy,dia sahiko ny miteny hoe, ny anton’ny hafaliana hoan’ny TGV dia tsy aminay ny mangataka “aministie”, fa asehoanay kosa amin’izao fiaraha-mitantana ato amin’ny tetezamita izao fa raha nangataka izany ireo voaheloka tamin’ny fotoanandrony 2002 hatramin’ny nialan’ny mpitondra teo aloha tamin’ny fitondrana dia tsy nahazo izany mihitsy fa ankehitriny kosa hitondrana izay fomba fijery vaovao izay dia nasehoanay fa vonona izahay ny hanome izany famontsoran-keloka izany.niaraka tamin’ireo niaram-boina tamin’izany. Iny fisintahan’ny ankolafy Ravalomanana teo iny dia taratry ny demokrasia misy eto ka anisan’ny tsy fahafaliana ihany ny azy ireo hoe tsy lany ny heviny dia nivoaka izy.

SARY : CT Rakotoarisoa Falihery(Sary Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT