Politique

Vondrona nanao sonia ny Dina Repoblikanina Mivaona ny FAT, aleo hody Ravalo !


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011

Mitarazoka ny famahana ny krizy. Eo anatrehan’izany dia namoaka fanambarana ireo vondrona politika 6 nanangana sy nankatoa ny “Dina repoblikana” ary nanao rangopohy ny tondrozotra ahitana ny Les AS, HPM, Escopol, Arema, UAMAD ary ny MDM.

 Voalaza ao anatin’ilay fanambarana fa “tsy manaiky ny hisian’ny fifidianana ary tsy handray anjara amin’izany mihitsy” izy ireo “raha tsy vita sonia ny tondrozotra nasiam-panovana”. “Vonona hanao sonia tsy misy fepetra izay tondrozotra asiam-panitsiana haroson’ny Mpanelanelana Iraisam-pirenena mba ho famaranana ny krizy sy ho an’ny tombotsoa ambonin’ny firenena izahay. Takianay ny hanaovana izany sonia izany amin’ny volana septambra 2011, mialoha ny fivoriamben’nv Firenena Mikambana any New York. Vonona lalandava nv vondrona pôlitika 6 hiatrika fifidianana rehefa feno ny fepetra takian’ny fenitra iraisam-pirenena mba tsy hisian’ny krizy miverimberina intsony eto Madagasikara”, hoy ny fanambarana.

Nilaza i Alain Andriamiseza avy ao amin’ny Escopol fa “handray andraikitra” ireto vondron-kery ireto raha tsy vita amin’io volana ambony io ny fanaov-tsonia ilay tondrozotra. Nitondra fanazavana momba io tondrozotra resahana io sy ny fanitsiana miaraka aminy kosa i Voninahitsy Jean Eugène. Nambaran’ny filohan’ny Les AS ary fa mankatoa ny tondrozotran’ny Sandton izy ireo ary tsy mampaninona raha miverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana hanasonia izany raha toa ka izay no hamaranana ny krizy. Tsiahivina fa nitsipaka marindrano ny fikasan-dRavalomanana hody eto Madagasikara hatrany i Voninahitsy hatrizay ary nanao rahom-bava mihitsy aza, fa hilevim-belona izy raha izany Marc Ravalomanana izany no migadona eto.

Politika ny resaka, saingy mihevitra ny maro fa zava-dehibe ny fahatsapan-tena asehon’i Voninahitsy toy izao, izay heverina fa harahin’ny hafa koa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Momba ny raharaham-pirenena kosa dia mahatsapa ireto vondrona ireto na dia ao anaty fitondrana aza fa tsy mifanaraka amin’ny fehin-kevitry ny Dina Repoblikana nosoniavin’izy ireo ny fomba fitantanan-draharaham-pirenena ka manampy trotraka ny olana ara-tsôsialy mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Nandefasan’izy ireo dika mitovy ny fanambarana ny filohan’ny FAT, ny Troika ao amin’ny SADC sy ireo mpanelanelana, ny Vondrona Afrikana. Miha-mitokamonina hatrany izany izao ny FAT satria efa misintaka aminy ny ankamaroan’ireo mpanao politika nanohana azy amin’ny alalan’ity fanehoan-kevitra farany ity. Ny UDR sy ny TGV sy ireo TIM nisintaka sisa no mpanao politika azon’i Andry Rajoelina ianteherana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT