Miha mitombo isa ankehitriny ireo olon’ny vondrona Mapar manontany tena ny amin’ny paikady hiatrehana ny 2018.
Mandalo dia miserana, tsy handrenesam-peo mihitsy mantsy i Andry Nirina Rajoelina lehiben’izy ireo. Mangingina koa ireo mpitarika politika eo anivon’ny Mapar toa an-dry Augustin Andriamananoro, Christine Razanamahasoa, Lanto Rakotomanga, Tinoka Roberto, Sareraka … Hany mba hita miteny kely miaro ny filohan’ny tetezamita ny depiote Naivo Raholdina fa na izy koa aza efa tsy dia basy vava firy intsony tahaka ny nahafantarana azy teo aloha. Resaka miampita no nahenoana fa kandida filoham-pirenena i Andry Rajoelina fa tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy nataony hatreto. Manjavozavo tanteraka ny fomba fiasa sy ny paikadin’ity vondrona politika iray ity. Nataon’ny fitondram-panjakana nitondra faisana ny ben’ny tanàna Mapar roa ho an’i Toamasina I sy Mahajanga I fa tsy nandrenesam-peo i Andry Rajoelina sy ireo mpitantana Mapar. Mafy ny nahazo an’i Augustin Andriamananoro momba ny raharaha Soamahamanina fa tsy nisy resaka firy. Izao nifandramatra tany Soanierana Ivongo ny depiote isany Rossy sy Tody Arnaud fa dia moana toy ny trondro ny Mapar, tsy nisy na dia iray aza nijoro nandamina hatry ny omaly hariva ireo heverina fa lehibe. Any anaty facebook no manezaka mafy dia mafy ireo mpomba an’i Andry Rajoelina, kanefa tsikaritra ho toa antso an-tany efitra ihany ny ataon-dry zareo satria na ilay olona ambara fa tohanana aza moa manao tsidi-pahitra fotsiny fa tena variana any ivelany. Tsy atao mahagaga raha efa maro ny olon’ny Mapar no nanorina fikambanana vaovao hafa mihitsy na namadika palitao ka lasa nanohana ny fitondram-panjakana na niaraka amina antoko politika hafa tahaka ny TIM, ohatra. Tsy tongatonga ho azy anefa, hoy ny mpanara-baovao politika io fihetsik’i Andry Rajoelina io fa ao raha. Mety nampanginina mihitsy izy aloha ary miandry ny anjarany. Tsy voatery ho amin’ny 2018 fa mety ho amin’ny 2023.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.