Mitaky ny fandravana ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Beriziky ny vondrona GPCI (Groupe Parlémentaire de Consensualité et de I'Inclusivité).
Tsy anisan’ny voakasik’io fialana ao anatin’ny governemanta io anefa ny praiminisitra satria lasa fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” indray raha izay no tanterahana, hoy Rasambozafy Cyrille niteny tamin’ny anaran’ity vondrona ity. Manome fe-potoana hatramin’ny 26 jona ry zareo handraisan’ny filohan’ny FAT sy ny Praiminisitra ny fanapahan-kevitra. Mandrahona hidina an-dalambe ry zareo aorian’ny fetim-pirenena raha tsy tanteraka izany.
Ny tsy fisian’ny firaisankina eo anivon’ny governemanta izay hitam-poko hitam-pirenena nandritra ny fotoana niatrehan’i Beriziky ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita farany teo no antony. “Tsy misy mihitsy fanajana ny praiminisitra. S a tsy iombonana ny maha lehiben’ny governemanta azy matoa minisitra 3 na 4 ihany no mba nanotrona azy tamin’io fotoana io ? Tsy mandry ivohon’ny vato ny vahoaka eo anatrehan’izany”, araka ny fanazavan-kevitra nomen-dRasambozafy Cyrille. Momba ny fananganana ny governemanta vaovao dia takian’ny GPCI ny fampandraisana anjara ao anatiny ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra sy ny ambiny nanohana azy satria izay no miantoka ny filaminana eto amin’ny firenena, araka ny heviny hatrany. Sosokeviny koa ny hanaovan’ny minisitra vaovao fianianana amin’ny vahoaka hanompo ny tanindrazana fa tsy hanompo ny vondrona nanolotra azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.