Politique

Vondrona G 5 Mangataka an-dRajaonarimampianina hirotsaka ho kandida


  • Talata 09 Janoary 2018

Mihetsika indray ny vondrona mpanao politika G 5 ahitana ny depiote isany Randrianasolo Jean Nicolas (Betroka), Razafimahatratra Abel (Manakara), Hanitriniaina Mamy Armand (Miandrivazo), Raherisoa Vololona Victorine ary i

 

Kathy (Mananjary) izay tao amin’ny vondrona Mapar tany am-piandohana fa lasa niofo ho Mapar 2 miaraka amin’ny minisitra Maharante Jean de Dieu ka lasa manohana fitondrana ankehitriny, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. G 7 ry zareo tany am-piandohana fa lasa loholona sy minisitra ny namany roa ka lasa G 5. Natsidin’izy ireo teny am-piandohana ny fiarahabana ny vahoaka Malagasy tratry ny taom-baovao sy ny  nankahery an’ireo nanana havana maty sy an’ireo traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza AVA. Tsy miandry zavatra goavana hitranga vao miseho, hoy izy ireo, fa aleo mijoro ho tombontsoam-pirenena. Sahy nanambara ity G 5 ity amin’ny  maha mpanara-maso ny asan’ny governemanta azy ireo  fa be ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena na dia miezaka izay tsy izy aza ny fanjakana foibe tarihan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra amin’ny fanatanterahana ny asa nifanarahana tamin’ny vahoaka. Ka ho fanohizana an’izany asa efa natomboka izany dia tsy misy vahaolana afa-tsy ny firotsahan’ny filoha Rajaonarimampianina ho kandida ho filoham-pirenena indray amin’ity 2018 ity. Mangataka azy hirotsaka indray araka izany ny vondrona G 5 nefa kosa mitaky marindrano ny hanesorana an’ireo minisitra vitsivitsy sy ireo mpitondra ambony maromaro izay tsy mahafehy ny asany  amin’ny tsy fanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena fa taonan’ny asa sy taonan’ny fifidianana ity 2018 ity. Nahazo ny anjarany koa tamin’ny fanakinana nataon’izy ireo ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara. Manoloana ny fisodrobidim-piainana dia mangataka amin’ireo teknisisana koa ny G 5 hijery ny fanondrotana ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity 2018 ity.  Hiraisan’ireto mpikambana amin’ny G 5 ireto koa ny amin’ny fankahalana hatramin’izay ny olona efa nilaza ho kandida ho filoha efa elaela ihany ka manontany azy amin’izay nalehan’ny volan’ny banky foibe tamin’ny fotoana nitondrany fanjakana, ny amin’ny fanagadrana mpanao politika tsy nitovy hevitra taminy niisa 1636, ary amin’ny izay ambaran-dry zareo fa fanavakavana amin’ny lafiny rehetra ataon’ity kandida efa filoham-pirenena taloha ity ?

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT