Politique

Vondrona Escopol Vaky ny ady


  • Talata 10 Aprily 2012

Tsy mitovy hevitra ny mpikambana ao amin’ny Vondrona Escopol momba ny fanambarana nivoaka farany teo milaza ny tsy tokony hilatsahan’ireo filoha teo aloha dia ny Pr Zafy Albert, Amiraly Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika manaraka eo.

 Nanolotra soso-kevitra momba izany izay nampidirina ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny fitsipi-pitondran-tena raha tsiahivina ny Escopol tarihan-dry Ramanantsoa Benjamina sy Elia Ravelomanantsoa ary Hery Rakotobe. Mitsipaka marindrano io fanambarana io i Pierre Andrianantenaina izay milaza fa tsy mahasolo ny volavolon-dalàna momba ny fifidianana mihitsy ny volavolan-dalàna momba ny fitsipi-pitondran-tena. Tafiditra amin’ny fifanakianana mivantana mihitsy aza ny raharaha raha ny fahitana ny fanambaran’ny filoha mpanorina ny antoko Farimbona ho an’i Madagasikara Vaovao. Ny antoko MTS, Madagasikarantsika ary ny Grad Iloafo mihitsy no velesiny amin’izany. “Resaka fitsipi-pitondran-tena no resahana ka tokony ho mendrika izany. Misy mpikambana ao amin’ny CST avy amin’ireo antoko izay tsy mamonjy fivoriana akory nefa mandray ny tombontsoa rehetra. Ankoatra izay, nampidirin-dry zareo ao amin’ny CT ny vadiny, ny fianakaviana eny hatramin’ny mpamiliny aza amin’ny anaran’ny Escopol”, hoy i Pierre Andrianantenaina.

Miaro mafy an’i Andry Rajoelina koa ity farany izay nilaza fa tsy tokony ho afaka hilatsaka koa i Roland Ratsiraka satria voasazy miaraka amin’ny filohan’ny FAT koa ny tenany raha ny fifanarahan’ny Cotonou no ampiharina. Ity farany izay milaza fa tsy mahazo mitondra fanjakana ny mpanongam-panjakana. Fanambarana izay toa milaza fa miaiky i Pierre Andrianantenaina fa fanonganam-panjakana ny tamin’ny 2009 ireny, na tsy nivantana aza no nilazany aza izany. Ary dia mazava ny resaka ankehitriny fa fandrebirebena sy resaka fandanian’andro avokoa no ataon’ireo mpanao politika mpanohana an’i Andry Rajoelina, mba hanitarana ny tetezamita, fa tsy misy fijerena ny tombontsoam-pirenena sy izay tombontsoam-bahoaka araka izay litania sy hirahirain’izy ireo rehefa mahazo “micro”.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT