Politique

Vondrona Eoropeanina Nanakiana mafy ny fitondram-panjakana


  • Sabotsy 30 Aprily 2016

Mitentina 518 tapitrisa euros ny tetibola voafaritra ao anatin’ny «Fonds Européen pour le Développement 11» hanampian’ny Vondrona eoropeanina an’i Madagasikara.

 

 Vao ny 76,5 tapitrisa euros hatreto no nivoaka tamin’izy io. Tohana ara-bola nifantoka betsaka tamin’ny fiverenan’ny firenena malagasy ao anatin’ny fitondrana ara-dalàna taorian’ny krizy lavareny, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny masoivohony eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito. Tsy mbola afa-po amin’ny ezaka nasehon’ny fitondrana Rajaonarimampianina nandritra izay 3 taona latsaka izay ireo firenena 28 eoropeanina mpikambana. Tsy fahamatorana ary misy akony ratsy amin’ny fitohizam-pitantanana ny raharaham-panjakana ny fanovana isan-taona ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta, hoy ny ambasadaoro eoropeanina. Anisan’ny fepetra takian’ny Vondrona eoropeanina amin’ny fitondrana Malagasy moa ny fitantanana mahomby sy madio eo amin’ny volam-panjakana, ny tetibola mangarahara, ny ady amin’ny kolikoly sy hosoka. Eo ihany koa ny fifehezana ny filaminana anatiny ho fanajana ny tany tan-dalàna ary ny fanjakana matanjaka afaka mampisitraka ireo filàna ilain’ny vahoaka toy ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Nilaza hoe governemanta hiady amin’ny kolikoly ity mitsangana ity, hoy Atoa Antonio Sanchez-Benedito masoivohon’ny vondrona eoropeanina eto amintsika ka dia miandry izahay hoe hanao ahoana izany ady izany. Tsy mbola mahatoky ny fitondram-panjakana mijoro eto ny eoropeanina ary malaina hamoaka vola hanampiana an’i Madagasikara. Be loatra ny kolikoly sy gaboraraka amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Miandry ezaka lehibe amin’ny filoham-pirenena izahay, hoy hatrany ny vondrona eoropeanina, ka asa aloha raha mahatsapa tsara izany kiana sy fanamarihana mafonja izany ny mitondra na hanadio tena sy hiala bala indray. Homarihana ny  6 hatramin’ny 13 mey izao moa ny herinandron’i Eoropa.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT