Politique

Vondrona Eoropeanina Mitaky hatrany fifidianana tsy misy fanilikilihana


  • Talata 21 Novambra 2017

Lohahevitra lehibe 6 no noresahan’ny vondrona eoropeanina sy ny governemanta Malagasy omaly teny Mahazoarivo dia ny toe-draharaha politika eto Madagasikara, ny sehatry ny toerakerana, ny varotra, ny fanampiana avy amin’ny vondrona eoropeanina, ny filaminana ary ny zon’olombelona.

 

Nitarika ny governemanta ny praiminisitra solonandrasana Mahafaly narahana minisitra 8 voakasik’ireo lohahevitra ireo, sy ireo tompon’andraikim-panjakana mabonymaro samihafa.Teo ankilany kosa atoa Antonio Sanchez-Benedito lehiben’ny vondrona eoropeanina, ny masoivoiahon’i Frantsa, Alemaina ary Royaume Uni. Maro ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampidirana mpifidy farak’izay maro indrindra ao anaty lisi-pifidianana, hoy ny praiminisitra ary ho avy tsy ho ela eny amin’ny parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana mba hodinihana sy ho laniana.Namamarika kosa ny vondrona eoropeanina fa fanamafisana orina ny demokrasia ny fanatanterana fifidianana hahafahan’ny rehetra mandray anjara,izany hoe tsy misy fanilikilihana; niantso ny governemanta mba hanazava misimisy kokoa ny resaka rehetra manodidina ny fifidianana ry zareo eoropeanina.Hampitombo hatrany ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpandray anjara rehetra ao anatin’ny fifidianana izany , hoy ny vondrona eoropeanina.Aoka hazava ny resaka hoy ny praiminisitra Solonandrasana fa tsy misy kajikajy izany ny datim-pifidianana, ny fitondram-panjakana aza nezaka naka nyhevitry ny antoko politika sy ny herivelona rehetra satria filaminana no ilaintsika eto. Anjaran’ny governemanta indray avy eo , hoy izy no mandrafitra ny didy aman-dalàna araka ny lalàna velona eto amin’ny firenena  ary koa  mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena no sady zakan’ny toe-tsaina Malagasy ihany koa.Nilaza ihany koa Atoa Antonio Benedito Sachez fa tsy misy fiantraikany amin’ny fiaraha-miasan’ny vondrona eoropeanina amin’i Madagasikara tsy akory ilay fanambaran’ny parlemanta Eoropeanina momba an’I Madagasikaraizay tena manindrotsindrona tokoa ny mpitondra.Mbola hisy amin’ny volana desambra ny dinika ara-politika iarahan’ny vondrona eoropeanina amin’ny filoham-pirenena; tsikaritra fa manao fomba firesaka diplaomatika ny Eoropeanina : sady tsy manankiana no tsy manasoaso ny fitondram-panjakana fa miantso hatrany kosa ny fifampidinihana sy fikarohana marimaritra iraisana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT