Nitsidika am-pomba fanajana ny minisitry ny raharaham-bahiny Henri Rabary Njaka teny amin’ny birao fiasany teny Anosy omaly ny lehiben’ny delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara Antonio Benedito Sanchez.
Fotoana iray nahafahan’ny roa tonta niresaka ny fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny vondrona Eoropeanina, ity farany dia manome toky fa hanampy hatrany ny firenena Malagasy. Anisan’ny teboka lehibe noresahana omaly ary ny resaka fifampiresahana sy fikarohana marimaritra iraisana amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena, ny fifidianana izay tokony ho tsy misy fanilikilihana ary madio sy mangarahara, hoy ny vondrona eoropeanina. Nanaovana tomban’ezaka ihany koa ilay fifampiresahana ara-politika eo amin’ny governemanta Malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina, ny fifidianana ary ny fandriampahalemana. Fomba firesaka ara-diplaomatika hatrany moa no nataon’Atoa Benedito Sanchez momba ny resaka fifidianana ka nilazany fa vonona hanampy hatrany ny eoropeanina saingy firenena manana ny fiandrianany sy ny fandaminany i Madagasikara.Anisan’ireo mpiara-miasa goavana amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanamboarana fotodrafitr’asa sy famokarana angovo ny vondrona eoropeanina. Nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny ihany koa omaly ny masoivohon’i Alemaina eto amintsika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.