Masiaka sy tsy nitsitsy fitenenana tamin’ny mpitondra mahefa eto Madagasikara indray ny lehiben’ny delegasionin’ny Vondrona eoropeanina Antonio Sanchez-Benedito Gaspar nandritra ny fanomezana ireo fitaovam-pitsaboana miaraka amin’ny vaksiny ho an’ireo CSB II teny amin’ny toby Salama Soavina omaly.
Nampahatsiahiviny tamin’io fotoana io moa ny fampanantenana nataon’ny fitondrana Malagasy tarihan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hampiakarana ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana hanatsarana ny sehatra mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Tokony hisitraka ireo fitaovana sy fanafody fanampiana ireo avokoa ny sarambabem-bahoaka ka mila hentitra ny fanjakana amin’ny fampiharana ny fitantanana mahomby sy ny ady amin’ny kolikoly, hoy ity masoivoho vahiny ity. Azo atao tsara rahateo ny mametraka rafi-pitsaboana ho tombontsoan’ny olon-drehetra. Tsy mbola mahafa-po mantsy ny ezaka vita eo amin’ny lafiny fitsaboana ny mponina na ny fampivoarana ireo lafiny maha olona mihoatra amin’ny loharanon-karena hananan’ny firenena Malagasy sy ireo vokatra midadasika azo trandrahina, araka ny fanamarihan’ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina miasa eto amintsika. Fampianarana sy lesona faharoa azon’ny fitondrana Rajaonarimampianina sahady io tao anatin’ny roa herinandro voalohan’ny taona 2016. Nisantatra izany ny zokiolona masoivoho vahiny marokanina Mohamed Amar nandritra ny kabary fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona teny Iavoloha ny 8 janoary lasa teo.
Ramano F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.