Politique

Vondrona Eoropeanina Manara-maso akaiky ny toe-draharaham-pirenena


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Nihaona manokana sy nitsidika tamim-pomba fifanajana tamin’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara Giovani Di Girolamo ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao omaly.

 

Nijery sy nanontany hevitra ny fandehan-draharaha eto Madagasikara mahakasika ny politika, sosialy, toekarena izy hahafahany mandanjalanja sy manamarina na mandiso ny fanadihadiana hataony sy ny tatitra. Mijery akaiky ny raharaham-pirenena Malagasy ny Eoropeanina, ary maka vaovao amin’ireo andrim-panjakana. Izy ireo rahateo no mpiara-miombon’antoka akaiky amintsika ary mandinika ny maripana politika ka miankina amin’izany ny fiaraha-miasa, ny fampiasam-bola, ny famatsiam-bola,.. Manana tanjaka goavana na ara-politika na ara-toekarena eto ambonin’ny tany, ary sokajiana ho mitana ny fanalahidin’izao tontolo izao ny Vondrona Eoropeanina. Nasaina hanazava ny politikan’ny vondrona Eoropeanina ity masoivohony ity satria miova ny mpitantana amin’izao. Hasaina hamelabelatra izany ao anatin’ny fivoriambe, mamantatra bebe kokoa ny politika eto amin’ny firenena ary mihaino sy maka ny hevitr’ireo andrim-panjakana izahay, hoy i Giovanni Di girolamo. Manoloana ny toe-draharaha mafana eto, tahaka ny raharaha Tana-masoandro kosa dia nisafidy ny hangina izy ho fanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny politika anatiny. Misy ny lalàna mifehy azy ireo tsy hahafahany mijabaka amin’izany. Matoa anefa manara-maso ny fiainana ara-politika, sosialy ary toekarena eto, dia manana ny heviny ary dinihiny ireny amin’ny raharaha diplomatika mahakasika an’i Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT