Hampivoatra ireo tanŕn-dehibe sy ny fiainan’ny mponina ao aminy ny fijoroan’ny birao vaovao mpitantana ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien).
Zava-dehibe ho an’i Madagasikara manokana ny maha filoha mpiara-mitantana ity fikambanan’ireo tanàn-dehibe sy vondrom-bahoaka eto amin’ny Ranomasimbe Indianina ity ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana. Tsy nihambahamba rahateo ny sekretera maharitry ny AIMF (Association Internationale des Maires Francophones) Pierre Baillet sy ny lehiben’ny delegasionin’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito nanambara ny fahavononan’izy ireo hanohana ny fikambanana, indrindra ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara izay misedra fahasahiranana noho ny olana famatsiambola avy amin’ny fanjakana foibe. Tombontsoan’ny fikambanana matanjaka tahaka ny AVCOI ny fisitrahana famatsiambola avy amin’ny AIMF sy ny Vondrona eoropeanina. Ilaina anefa ny fitantanana mahomby miaraka amin’ny fanarahan-dalàna sy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka mba hipaka mivantana amin’ny mponina ny fanampiana, araka ny fanamarihan’ireto mpiara-miombon’antoka ireto.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.