Politique

Vondrona Eoropeana Nokianin’ny «Force Médiane Mixte»


  • Alatsinainy 13 Mey 2013

Manohana 100% ny fampihavanana tontosain’ny FFKM araka izay tinapaka teny Ivato farany teo ny Force Médiane Mixte na ny Hery afovoany.

 Mitondra filaminana maharitra ny fampihavanana ka tokony andrasana aloha ny fahavitany vao irosoana ny fifidianana, hoy i Max Fabien Andrianirina, filohany. “Tokony tanterahina faran’izay haingana tokoa ny fifidianana fa raha isisihana io 24 jolay io nefa mbola tsy misy ny fampihavanana dia hita taratra sahady ny korontana”, hoy izy. Nokianin’ny Hery afovoany mafy koa ny CES sy ny HCC izay nanaotao foana tamin’ny fanekena ny firotsahana kandida tsy nahafeno fepetra vitsivitsy ka takiany ny fampitsarahana azy amin’ny asany sy iantsoany ny Bianco hanao fanadihadiana. Nahazo teny maharary avy amin’izy ireo koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa indrindra ny Vondrona Eoropeana izay ambarany fa tsy manaja ny Malagasy sady mandray antsika ho toy ny zazakely. “Lazaina fa tsy ho azo ny FED andiany faha-10 raha ahemotra ny fifidianana. Aza ampitambazana vola ny Malagasy fa mahalala ny aretinay izahay. Ajanony koa ny fandraisana ny Malagasy ho zazakely fa mahalala ny mahasoa anay izahay”, hoy ny valin-kafatra nomen’i Max Fabien Andrianirina an’i Tezapsidis, masoivohon’ny Vondrona Eropeana miasa eto Madagasikara.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT