Anio alarobia no hanomboka hihaona amin’ireo vondrona politika eto amintsika ireo delegasiona mafonja avy amin’ny fanakaviambe iraisam-pirenena tonga teny Ivato omaly, nahitana an’Atoa isany sy ny mpiara-miasa aminy avy Ramtane Lamamra lehiben’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana ao amin’ny Vondrona Afrikanina, Joaquim Chissano lehiben’ny mpanelanelana handamina ny raharaha Malagasy avy amin’ny SADC ary Jean Claude de l’Estrac, Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI).
Tohin’ny lojikan’ny fivorian’ny GIC-M tany Addis Abeba ny 26 jona lasa teo izao rodorodon’ny mpanelanelana eto Madagasikara izao, ary raha ny iraka fototra dia handresy lahatra ireo kandida tokony hitsoaka an-daharana mba hanao izany ireto iraka ireto. Azo heverina koa anefa fa handinika sy hanadihady tsara ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto an-toerana izy ireo, hahita sy hahatsapa ny tena hetahetan’ny vahoaka Malagasy ary aorian’izay vao hanapa-kevitra indray momba ny hanohizana ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Mbola azo atao tsara mihitsy ny manavotra ny tetiandrom-pifidianana, raha toa ka vonona hitondra ny anjara birikiny ho amin’izany ny tsirairay avy, hoy i Joaquim Chissano omaly.
Mazava ny resaka eto fa dia mbola ilay tetiandrom-pifidianana teo aloha ihany izany aloha no fantatry ny vondrona iraisam-pirenena, izany hoe fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, avy eo fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka, ary tanterahana amin’ity taona ity izany. Tsy fantatra anefa izay fehin-kevitra hafa mbola hivoaka aorian’ny fihaonan’ireto delegasiona mafonjan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireto amin’ny mpisehatra politika eto Madagasikara. Mbola mety hanova zavatra ihany koa ny dinika karakarain’ny FFKM, indrindra fa raha afaka mihaona eto Madagasikara ihany ireo filoha efa-tonta.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.