Politique

Vondrona Afrikanina Mieritreritra hanavao ny rafi-pitantanana


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Nanomboka omaly alahady 10 febroary 2019 any Addis Abeba Etiopia ary mifarana anio ny fihaonambe faha-32 ho an’ny Vondrona Afrikanina, ka mitarika ny delegasionina Malagasy any an-toerana ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

 

Nanatrika avy hatrany ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filoham-pirenena sy governemanta notarihan'ny filohan'i Rwanda sady filoha nitantana ny Vondrona Afrikanina tamin’ny taona 2018, Paul Kagame ity filoha Malagasy ity. Niompana indrindra tamin'ny "fanavaozana ny rafi-pitantanana ny Vondrona Afrikanina", ny " zone de libre échange", ny "fampiharana sy fanatanterahana ny fanapahan-kevitr'ilay fihaonambe tao Cotonou" ary farany ny" fifidianana ny biraon'ny kaonferansan'ny Vondrona Afrikanina amin'ny 2019 sy ny fifidianana ny filohan'ny Vondrona Afrikanina amin'ny taona 2020 " ny fotoam-pivoriana voalohany omaly. Nandritra io fivoriana io nahavoafidy ny filohan’i Afrika Atsimo Cyrille Ramaphosa hitantana ny Vondrona Afrikanina amin’ny taona 2020. Taorian'izay dia nanatrika ny lanonana fanokanana ny sarivongan'i Emperora Haile Selassie ny filoham-pirenena Malagasy. Ny Emperora Haile Selassie dia nanjaka nanomboka tamin'ny 1930 ka hatramin'ny 1974 ary anisan’ny endrika lehibe eo amin’ny kolontsaina Etiopianina. Natsangana teo anoloan'ny foiben'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba moa izany. Nandritra ny lanonam-panokafana ofisialin'ny fihaonambe no nandray fitenenana ny filoha Andry Rajoelina izay nisaotra ny Vondrona Afrikanina tamin’ny tan-tsoroka tamin’ny fifidianana. Nambara fa dingana demokratika vita tao anatin’ny fitoniana no modely eran’ny kaontinanta Afrikanina isika. I Andry Rajoelina ankehitriny no filoham-pirenena Afrikanina am-perinasa tanora indrindra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT