Mila manaiky ny fanovana entin’ny ben’ny tanŕna ny vahoaka entiny mba hialana amin’ny gaboraraka, hoy ramatoa Ahmed Youssouf Hawa,
masoivohon’ny Vondrona afrikanina nandritra ny fitsidihany an-dRamatoa Ravalomanana Lalao ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA) teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly. Naneho ny fankasitrahany amin’ny asa efa nantomboka eto an-drenivohitra ity masoivoho ity ary naneho fahavononana ihany koa ny hanampy ny kaominina amin’ny fanatontosana ireo asa mipaka any am-potony ity tompon’andraikitra ity. Fantatra ihany koa ankehitriny fa nanolo-tanana amin’ny fampifandraisana ireo mpiara-miombon’antoka eto amin’ny firenena mba hametrahana ny fanjakana tsara tantana marina ny Vondrona afrikanina indrindra amin’izao vanim-potoana handraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny Comesa sy ny frankofonia eto Antananarivo izao. Fa manodidina indrindra ny fandraisana ity fivoriana faharoa ity dia nihaona tamin’ny Atoa Philippe Brant, masoivohon’i Soisa vaovao ihany koa ramatoa Ravalomanana Lalao, ka ny fanomanana ny fandraisana ny fivorian’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay no tena niompanan’ny dinika. Mbola fihaonana voalohany ihany no nataon’ny roa tonta omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely fa mbola hiditra amin’ny antsipirian’izany fiaraha-miasa izany ihany ny roa tonta any aoriana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.