Politique

Vondron’Olontsotra Tsy hangina …


  • Alakamisy 15 Septambra 2011


 Nipoaka ny sarom-bilany ! Ara-bakiteny io omaly, raha ny zava-nitranga teny Antanimena nihazo an’i Behoririka, nanehoan’ny Vondron’Olontsotra fa dia feno ny kapoaka manoloana izao fampahoriana sy fampahantrana ny Malagasy tato anatin’ny tetezamita izao. Manamafy ny fitakiany hamelana malalaka ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana izy ireo ary milaza fa tsy hangina mandra-pahatanterak’izany ary koa hivoahan’ireo gadra politika rehetra na sivily na miaramila. Sorabaventy maro no nentin’ny Vondron’Olontsotra nanehoana izany, omaly tolakandro, taorian’ny fihaonana fampitam-baovao nataon’izy ireo teny Antohomadinika. Ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana no vahaolana hampisy fitoniana ary koa hitondra filaminana ka hiverenan’ny mpamatsy vola sy ny famoronana asa, araka ny fanazavan’izy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT