Politique

Vondron’olontsotra Ambatondrazaka Mitaky ny hampiharana izay tapaka tao Sandton


  • Zoma 16 Septambra 2011

Ao anatin’izao fandalovan’ny Troika eto Madagasikara izao dia naneho hevitra ny Vondron’olontsotra any Ambatondrazaka ny tolakandron’ny alarobia 14 septambra teo.

 Fampiharana tsy misy fepetra ny zavatra rehetra tinapaka tany Sandton Afrika Atsimo farany teo izay mahakasika ny fampodiana tsy misy fepetra ireo mpialokaloka politika rehetra any ampitan-dranomasina no antso avo nataon’izy ireo. Aoka izay ny fitazonana fahefana rehefa tsy hamaha ny olan’ny vahoaka Malagasy, hoy izy ireo fa ny vahoaka manerana ny Nosy mihitsy no efa resy lahatra fa ny fodian’ireo sesitany politika anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana no vahaolana amin’izao krizy efa lalina dia lalina mahazo ny firenentsika izao.

Amin’izy ireo dia fitiavan-tena sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy 20 tapitrisa ny an’ny FAT raha miziriziry amin’ny taritokana. Ho azy ireo dia ny tondrozotra izay notapahin’ny Troika tany Sandton no tokony hatao sonia sy hampiharina. Hatsangana aorian’izay ny tetezamita tena izy izay hitantana ny fifidianana ka ny sokajin’olona rehetra no hanapaka izay fifidianana haroso mialoha. Miara-mitantana ny fifidianana amin’izay fotoana izay ny Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka ho mora foana ny hahazoana fankatoavana. Nanambara moa ireo Vondron’olontsotra any Ambatondrazaka ireo fa raha sanatria mivaona tamin’ny zavatra tinapaka tany Sandton Afrika Atsimo ny ataon’ny mpanao politika gasy dia hisy ny fepetra goavana horaisin’izy ireo. Tsy mbola fantatra moa hatreto izany fepetra izany.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT