Politique

Vondron’olon-tsotra (VOT) Nitondra an-tsoratra ny fitakiany any amin’ny SADC


  • Talata 19 Jona 2012

Nihazo ny Birao fifandraisan’ny SADC etsy amin’ny Village des Jeux Ankorondrano nanatitra taratasy mirakitra ny fitarainana, hetaheta ary tolokevitr’izy ireo hamahana haingana izao krizy izao ny vondron’olon-tsotra (VOT) manohana ny filoha Marc Ravalomanana.

 Natolotra ampahibemaso teo imason’ny vahoaka tonga teny ny taratasy, ankoatra ny dinidinika nifanaovana nanazavan’ny solontenan’ny VOT ny anton-dian’izy ireo. Ny hevitra tapaka nandritra ny fivoriambe izay notanterahin’ireo mpikambana VOT manerana Nosy ny herinandro lasa iny, no narafitra ka ity natolotra ny SADC ity. Nivoitra ao anatin’izany ny fanambarana izay iombonan’izy ireo mankasitraka ny fihaonan’izy mirahalahy mianaka, dia ny filoha Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Nirina Rajoelina ho fanarenana sy ho famahana ny krizy izay mianjady amin’ny tany sy ny firenena.

Araka izany dia takian’izy ireo ny hanatanterahana izany haingana dia haingana mialoha ny fetim-pirenena ho avy izao ary atao eo an-tanindrazana fa tsy any ivelany. Miantso ny vondrona SADC ihany koa mba hanao faran’izay haingana ny fihaonana satria efa tena mijaly sy sahirana ny vahoaka malagasy, ary mihorohoro manoloana ny asan-jiolahy mitam-basy amin’izao fotoana.
Nilaza moa ny teo anivon’ny Birao fifandraisan’ny SADC fa hampitaina any amin’ny foibeny ny fitakiana nataon’ny VOT an-taratasy ity ka hampiantso tsy ho ela izy ireo hanomezana valin-teny. Ankoatra ny taratasy natolotra dia nivandravandra tamin’ny sorabaventy nentin’ireo solontena tonga teny Ankorondrano ny fitakian’izy ireo io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT