Politique

Vondron’olon-tsotra Miantso ny Malagasy ho sahy hijoro


  • Zoma 02 Martsa 2012

Nanao atrikasa teto an-drenivohitra, nandritra ny roa andro, ny alarobia sy omaly alakamisy ireo mpandrindram-paritry ny Vondron’olon-tsotra manohana an’i Marc Ravalomanana (VOT) avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.

 Jery todiky ny asa vita tao anatin’ny telo taona, fifanakalozam-baovao amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka any amin’ny Faritra ary koa ny fandrafetana paikady hanatratrarana ny tanjona, dia ny hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara, izay midika ho fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny hamerenana azy indray hitantana ny firenena. Nivoitra tamin’izany, fa be ny resaka entin’ny vahiny, maro ny kabary ataon’ny mpanao politika fa dia fampandriana adrisa ny Vahoaka avokoa ireny. Manjaka ny zarazarao hanjakana. Nanadino ireo vahoaka nilokalokany fa hojerena izay nahazo seza. Fahantrana, tsy fandriampahalemana, fanapenam-bava, famerezan-jo … no sisa anjaran’ny Vahoaka tompom-pahefana. Eo anatrehan’izany dia manaitra ny Malagasy indrindra ireo maro an’isa betsimiteny ny Vondron’olon-tsotra manohana an’i Marc Ravalomanana mba tsy handrihandry manan’aretina, fa ho sahy hijoro hanohitra ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny mianjady aminy. Nilaza moa ireo mpandrindram-paritra ireo fa hanomana hetsika lehibe ato ho ato, ka dia miandry ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT