Politique

Vondron'olon-tsotra Marc Ravalomanana no vahaolana


  • Talata 20 Martsa 2012

Manamafy ny fitakiany amin’ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana tsy misy fepetra an-tanindrazana sy ny fahafahany hirotsaka ankalalahana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Vondron'olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny ara-dalàna eto Madagasikara na VOT.

 Izany, hoy ity farany, dia hanaporofoana fa voafidy tamin’ny fomba demokratika izy ary nametrahan’ny vahoaka toky hitantana ny firenena. Milaza ny VOT fa tsy hihemotra amin’ny tolona nataony raha tsy tonga amin’ny tanjona noho ny fahatsapana fa ny Filoha Marc Ravalomanana ihany no hanafaka ny vahoaka ao anatin’ny fahantrana ary koa afaka hanavotra ny firenena anatin’izao fahapotehana lalina nitondran’ny mpanongam-panjakana azy izao.
Etsy ankilazan’izay dia manohitra ankitsirano ny fiheveran’ireo mpanao politika sasany hiroso amin’ny fifidianana, izay tadiavina hatao amboletra, hamaranana ny krizy ny VOT satria, amin’ity farany dia fanomezana vahana ny mpanongam-panjakana izany.

Manoloana izany dia hijoro handray andraikitra ary hanamafy firaisankina amin’ny tolona hiverenan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny VOT fa efa latsaka an-katerena ny firenena ary mitaky koa ny famoahana tsy misy fepetra ireo sivily na miaramila mbola any am-ponja noho ny fijoroan’izy ireo hanavotra ny firenena sy ny mpiarabelona. Izay ihany koa no andrasan’ny VOT amin’ny SADC.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT