Politique

Vondron'olon-tsotra Antananarivo Nitokona teo anoloan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo


  • Zoma 25 Novambra 2011

Nilanja sorabaventy ireto Vondron’olon-tsotra (VOT) ireto nanehoan’izy ireo ny heviny sy ny hetahetan’ny vahoaka madinika sy olon-tsotra fa tsy mahavaha krizy io Governemanta najoron’i Andry Rajoelina sy Omer Beriziky io fa vao mainka aza mamboly krizy indray nefa ny eo tsy voavaha tao anatin’ny 3 taona ngaragidiny vokatry ny fanonganam-panjakana.

 Mijaly anefa ny vahoaka ary miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana. Araka ny fanazavan’ny mpitarika dia amin’ny maha solontenan’ny Troika-SADC ny Masoivohon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara no nahatongavan’ny VOT teny Ankorondrano, nitokonana sy nilanjana sorabaventy hanehoana fa mijaly ny vahoaka. Nohamafisin’ny VOT koa fa tsy misy afa-tsy ny fihaonana an-databatra boribory atao eto Madagasikara iarahan’izy 4 mirahalahy, Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, lehiben’ny ankolafy ihany no hamahana ny krizy. Mitaky ny hampijoroana governemanta tetezamita tsy miandany sy tsy misy mpanongam-panjakana koa ny VOT. Takian’ny VOT ihany koa ny hampiharana ny «Accord de Cotonou» ka hanasaziana ny mpanongam-panjakana. Nasehon’ny VOT koa fa tsy tokony hanao fanelanelanana mitongilana ny Ambasadaoron’i Afrika Atsimo fa tokony hipetraka tsara amin’ny andraikitra napetraka aminy, tsy hanome vahana an’i Andry Rajoelina amin’izao famahana krizy izao. Nanindry mafy koa ny VOT mba hihainoana ny feom-bahoaka sy ny hanatanterahana ara-bakiteny izay voasoratra ao anatin’ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-20, hiverenan’ny filoha lanim-bahoaka Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy raorao, fa mila azy ny vahoaka !
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT