Nidina an-dalambe toy ny fanaony indray ny faran’ny herinandro teo ny vahoaka ao anaty ny fikambanana Vondrona olon-tsotra (VOT) any Ambatondrazaka.
Sorabaventy maro no nolanjain’izy ireo tamin’izany toy ny hoe : «Tanindrazan’ny Malagasy rehetra i Madagasikara», «Tanteraho ny Sandton !», «Foano ny mandat d’arrêt !» … Malaina hiala amin’ny krizy ny FAT raha ny fijerin’ny VOT any Ambatondrazaka azy. Sarotra anefa ny hisian’ny fitoniana politika raha tsy mody eto an-tanindrazana avokoa ireo nanao sesitany ny tenany hatramin’izay, noho ny
Betsaka ny very asa sy tsy manan-kohanina, manjaka ny asan-jiolahy sy ny mpanao sinto-mahery. Nametraka fanantenana betsaka ho an’ny Malagasy ilay fanaovan-tsonia ny tondrozotra kanefa indrisy fa mikatso sahady ny fanatanterahana ilay izy. Mbola manana fanantenana anefa izy ireo fa tsy maintsy higadona tsy ho ela eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny fidirana an-telefaonina mivantana natao ny tompon’andraikitra ny GTT International Genève nandritra io fotoana io izay nampahafantarana fa tsy olon-dratsy akory ny filoha Marc Ravalomanana ka hoe hosamborina. Nisy ny fanomezana toromarika ho an’ireo vahoaka mpitolona mba tsy handairana tsaho fa hanankina ny tolona izay atao amin’Andriamanitra. Nampiavaka ny hetsika natao ny VOT Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo ity ny fandehanana teo amin’ny tsangambaton’ny Maherifon’ny 1947. Marihina fa toerana maro manerana ny Nosy no niara-nanatanteraka hetsika toy ity nataon’ny VOT Ambatondrazaka ity.
Niry A.
Sary : Hetsiky ny Vondrona olon-tsotra tany Ambatondrazaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.