Politique

Vondron’ny parlemantera Vakinankaratra Vonona hampandany an’i Neny


  • Alakamisy 25 Aprily 2013

Efa vonona amin’ny fampandaniana ny kandidŕny, dia Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ny vondron’ny Parlemantera ao Vakinankaratra.

 Nambaran-dRandrianantenaina José, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita izay mpitarika azy ireo fa vonona ary tena efa maty paika ny fomba entina miasa ho amin’izany amin’izao fotoana izao, ka tsy matahotra ny efa mangotraka izy ireo fa zanaky ny mangorovitsika. Nambarany sy nohamafisiny fa misy lamina hiarahan’izy ireo amin’ny legalista rehetra amin’izay paika izay, izay mbola notazoniny ho tsiambaratelo hatreto. Anisan’ny notsikerain’ity Parlemantera ity fa na dia misy aza ny mangalatra fiaingana sy manararaotra mampiasa ny fitaovam-panjakana, manery ireo Ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny Fokontany samihafa ao Vakinankaratra dia tsy mahataitra azy ireo izany satria tsy atoro voanjo hadiana izy ireo.

Nambaran’ny CT Randrianantenaina José fa na dia nisy nanapaka aza ny lalana dia tsy maintsy tohizana ka Rtoa Lalao Ravalomanana ihany no azo antoka fa afaka hanohy izay lalana izay miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ary nohamafisiny fa antoka ho an’ny fitoniana eto Madagasikara ny firotsahan’ity kandidàn’izy ireo ity. Feno fahatokiana ny CT Randrianantenaina José nilaza fa mora ho an’ny ankolafy Zanak’i Dada ny hampandany an’i Neny amin’ny «1er tour dia vita». Nambarany moa fa ny vondrona Zanak’i Dada no hanolotra ity kandidàn’izy ireo ho fanambarana ny hery satria kandidàn’ny Malagasy Ramatoa Lalao Ravalomanana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT