Tratra ny tanjona ho an’izy telo mianadahy tompon-kevitra tamin’ny fananganana ny vondron’ny mpanohitra na dia nisy aza ny tsy fifankahazoan-kevitra tamin’ny mpitarika sasany sy ny vahoaka tonga teny amin’ny 13 mey.
mantsy ireo mpitolona no niandrandra fidinana an-dalambe. Ny zava-dehibe ho anay, hoy i Lalatiana Ravololomanana dia ny fahafahana nametraka fehezam-boninkazo manamarika ny fahatsiarovana ireo Maherifon’ny firenena nandatsaka ny rany tamin’ny tolona tamin’ny taona 1947, 1971 ary ny 1972. “Tsy tokony hivalona ho tantara mihitsy ny ra latsaka ho an’ny firenena” raha ny fanazavany. Nahazo tsindrom-paingotra noho izany ny fitondrana FAT izay tsy nanamarika iny daty malaza nandrodanana sy nananganana fitondrana iny kanefa nanao lanonana goavana nahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy tamin’ny 07 febroary. Fandresena ho azy ireo koa ny fiaraha-mientana nasehon’ny Vondron’ny Mpanohitra izay niara-nirohotra teny an-toerana.
Nomarihan’ny pastera Edouard Tsarahame fa tsy tao anatin’ny fandaharam-potoana nifanarahan’ny rehetra ny fandraisam-pitenenana na hetsika teo an-toerana tamin’ny alahady 13 mey teo fa nihanona fametrahana fehezam-boninkazo ihany. Nanameloka ny fikasana hanakorontana sy fandorana kodiarana nataona andiana olona vitsy ry zareo noho izany satria tsy amin’ny alalan’ny famerenana fandrobana mihitsy na fihetsika sahala amin’izany no hananganana firenena, hoy Ravololomanana. Miroso amin’ny dingana manaraka indray ny Vondron’ny mpanohitra ka omaly tolakandro dia efa nisy ny fihaonana teo amin’ny ankolafy, fikambanana ary antoko samihafa mandrafitra azy namolavolana ny paikady manaraka. Tapaka nandritra ny fivorian’izy ireo omaly ny fitakiana ny famerenana amin’ny vahoaka ny kianjan’Ambohijatovo izay navadika ho toerana filalaovan’ny kilonga ankehitriny. Delegasiona mafonja no hihaona amin’ny PDS momba izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.